4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Honahona - Mage 4

HONAHONA

Tonga ny fahatsiarovan-tena

Tsisy akory azavatra nomena ahy

Ady lava izao, fitarainana

Ka izai rehetra mandalo koa

Ady mandoro lava izao

Tsy aritra intsony



Nandalo teo ny fahatanorana

Setroka mainty sy rano mafana

Lasa maivana, zakan-drivotra

Tsy maintsy miova lalana izaho

Fa te hiaina amin’ny tontolo toa anao.



Ref : Finaritra foana ny masoandro

Manome hafanana ety

Mihodina foana eny ny tany

Manome rivotra ho an-dry

Toy ny omaly tsy miova



Mifototra ambany ny tokony ambony

Ny mpianakavy miady tsy fantatra intsony

Efa lasa izao, ny loza mitatao

Araraoty dia eny tsy malama

Ny honahona miandry anao

Sao mba midify.





MAGE 4

Album ’’Miverina indray ny fahiny’’

Auteur Compositeur : Lita et Elysé

Arrangement : Mage 4

Enregistré au studio Wave 3 Manjakaray. Madagascar. (2002)




Partager honahona

Commenter honahona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite